<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Norway Song</author>
<hymn_number>797</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Zaza masina,
 Mitsaoka Anao izahay,
 Atolotray ho hasina
 Ny tena kelinay.

[V2]
 Mihoby ny fanahinay
 Mihaona aminao ;
 Ry Zanak'Andriamanitray,
 Tsy misy toa Anao.

[V3]
 Ny zavatra anananay
 Dia aoka ho Anao,
 Ny tena sy fanahinay
 Mba hasoavinao.

[V4]
 Ny lanitra nafoinao,
 Nilaozanao ny Ray
 Mba hanavao ny olonao
 Ho velona indray.</lyrics>
<title>Ry Jeso Zaza masina FFPM797</title>
</song>